<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 He, sahanao, Mpamonjy ô,
 Izao rehetra izao.
 Ka be izao ny vokatrao,
 Fa vitsy ny Mpanao.

[V2]
 Indreto, tonga izahay
 Hivavaka Aminao,
 Hanolotra ny tenanay *
 Hiasa ho Anao.
 * na Haniraka ny namanay

[V3]
 Ny firenena marobe
 Sy nosy mba tahio,
 Indrindra fa ny Nosinay,
 Ry Tompo ô tahio.

[V4]
 Vimbinonao ny irakay,
 Ny feony hamamio,
 Indrindra fa omeonao
 Ny zotom-po madio.

[V5]
 Tahio re ny olonao
 Hihaino sy hanoa,
 Mba hahitany Aminao
 Ny antra mahasoa.</lyrics>
<title>He, sahanao, Mpamonjy o! FFPM301</title>
<hymn_number>301</hymn_number>
<author>J.A. Arne</author>
</song>